4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anton'ny fahavelomako - AMPAFI Antsirabe

ANTON’NY FAHAVELOMAKO



1-Mba manana an’iza aho moa  Jesosy ô

Ny anaran’iza indray moa no hantsoiko

Raha vao mifoha maraina aho  dia ianao

No vavaka miloatra am-poko



Ref:

Ianao no zava-drehetra

Sy anton’ny fahavelomako

Tsy atakalo, tsy amidy

Satria Andriamanitro

Raha mbola mitempo ihany koa ny fo

Ny hanaraka anao no safidiko

F’ianao Jesosy tokiko



2-Ny ota nameno fo efa lasa

‘Zay tsy nahitana soa fa nandratra

Tsy hitady ny hafa intsony aho fa ianao

Jesosy Tompo tsy mandaoIanao



3- Ka raha miala ety K’ ho tody an-tanàna

Asandratro hatrany ilay fiderana

Atolotro ho Anao Mpanjakako ho fanajana

Fa anao ny hery fahefana

Ianao…



Zoaridio (AMPAFI ANTSIRABE

Partager anton'ny fahavelomako

Commenter anton'ny fahavelomako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMPAFI Antsirabe