4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy manary ny tompo - AMPAFI Antsirabe

TSY MANARY NY TOMPO



1-Na dia sarotra sady mideza

Ny lalan-kombana

Asandrato hanako eny hatrany

‘Lay fiderana

Aoka hahery eny hatrany

Matokia mijoroa tokoa

‘Zay maharitra hatrany hatrany

Handray ny soa



Ref:

Tsy manary ny Tompo

Fa mitantana foana

N’inona hampitoloko

Izy ataovy anoloana

Tanonao ‘lay finoana

Izy no aoka ho tsaroana

Fa ny asan’ny tanany

Mbola adidiny



2-Raha naneho ny fitiavany antsika

Ilay mpahary

Mba hanafaka anaty ny aizina

Sy ‘reo jaly

Nomeny ny zanany lahy

Ho porofom-pitiavana

Ka ny fiainana mandrakizay

Io no tanjona

Tsy manary…



Zoaridio (AMPAFI ANTSIRABE)

Partager tsy manary ny tompo

Commenter tsy manary ny tompo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMPAFI Antsirabe