4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miantso anao - AMPAFI Antsirabe



1-Izy Tomponao no miantsoa anao izao

Moa hadinonao ve ? ‘

‘zay nataony ho anao

Ny eso sy ireo latsa

Ny vono sy ireo ratra

Nitondrany ny aretinao tsy zaka



Ref:

‘Zany rehetra, rehetra izany

Moa tsaroanao ve?

‘Lay Jesosy Tompo tia efa nijaly anie

Ndeha hiverina indray

Fa tsy mba hanamafy fo

Handray ‘lay tena fiainana tokoa



2-Lapa soa ny lanitra fonenany

No nilaozany hamonjy anao

Mpanota ety

Mpanjakan’ny mpanjaka

Fa tonga ho mpanompo

Hanala ny adin-tsainao sy toloko



izany rehetra..

                   Zoaridio

Partager miantso anao

Commenter miantso anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMPAFI Antsirabe