4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tompo o iraho aho - AMPAFI Antsirabe

TOMPO Ö IRAHO AHO



1-Saotra sy ny dera ho an’ny Ray

Fa izy no nampiray

Sy nanome ny fitahiana

(Ka aoka) re ny hoby tsy hangina

Ô venteso anio ny fiderana

Hanakoako ny Haleloia sy Hosana

Hitsaoka ho an’ilay nahary

(Fa Izy)Izy no nadavorary



Ref:Tompo ô iraho

Hanao ny asanao

Hitory sy hanambara

Ny Filazantsara

Ka ireo talenta izay nomenao ry Ray

No entina hanompoana anao

Mandrakizay



Aoka ny fanahinao mahery

(Ry Ray) No hanazava sy hampahery

Ka na misy izay ho fitsapana

(Hitohy) Dia hitohy ny fiderana

Ka hiventy hatrany izany antsa

(Hihoby) ho an’Andriamanitra amin-tsanta

Sy zava-manenonizay tendrena

Hanako mba ho ren’ny firenena

Tompo iraho aho …



Maminiriana (AMPAFI ANTSIRABE)

Partager tompo o iraho aho

Commenter tompo o iraho aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMPAFI Antsirabe