4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andriamanitra tsy mandao - Laurent RAKOTOMAMONJY

ANDRIAMAITRA TSY MANDAO



Ry mpanota ô tsarovy fa Andriamanitra tsy mandao

Andriamanitra tsy mandao ê! tsy mandao anao

Fa ianao no maniasia madeha mizotra ny miankavia

Fa Andriamanitra tsy mandao ê tsy mandao anao

Fa ianao no mamilafila tahaky ny toa tsy mila Azy

Fa Izy dia tsy mandao e! tsy mandao anao



Fa raha nanafatra anao Izy ka niteny nanao hoe

Lalan-kely arahina fa aza mizotra ny lalam-be

Tsy nino an’izzany ianao fa io hoy ianao no hita fa tena tsara

Nefa io izoranao io ê any andavaka no miafara



Fa raha naniraka anao Izy ka niteny nanao hoe

Ndeha torio ny FIlazan-tsara ho ren’ny olona maro be

Ianao tsy nitory fa natahotra hifandona amin’i losifera

Tsy mba nanana finoana fa vao voadona dia efa nianjera

Ry sakaiza ô tsarovy fa ny Tompo dia tsy mandao

FA ny Tompo dia tsy mandao anao ê! tsy mandao anao

Fa ianao no maningatsingana sasa-miarina fa voafingana

Fa ny Izy dia tsy mandao ê! tsy mandao anao

Fa ianao ity no mialangalana te hiverina antsasa dalana

Fa Izy dia tsy mandao ê! tsy mandao anao



Laurent RAKOTOMAMONJY

Partager andriamanitra tsy mandao

Commenter andriamanitra tsy mandao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Laurent RAKOTOMAMONJY