4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ekeko tsotra izao - Laurent RAKOTOMAMONJY

                     EKEKO TSOTRA IZAO

Tompo o ekeko tsotra izao

ity antsonao miangavy mitalaho

Fa ny fotaky ny fahotako

No hitalahonao mba hialako

Tompo o ekeko tsotra izao

Fa tsy fantatro akory

Fa hay ny fianako rehetra dia efa ho very

O ry tompo o

Tsy nafoinao hihosombovom-pahotana

Mihanahana zato tenako misalasala

Tsy foinao ho latsaka an-davaka aho ka hitomany

Fa nekenao mba ho tiana ka narovanao hatrany hatrany

feno hafaliana ty foko fa manana anao

be fitia,tsy mahafoy fa manoro raha toa tsy mahay

Fa raha tsy noho izay fitiavanao ahy zay angamba efa very aho efa very aho efa very aho tahaka izay

Partager ekeko tsotra izao

Commenter ekeko tsotra izao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Laurent RAKOTOMAMONJY