4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mifona - Laurent RAKOTOMAMONJY

        

Ray ô! ifonako aminao anio

Ny hadalàna efa vitako Ray ô

Taminao dia taminao

Taminao no nanotako Ray ô ô

Ifonako



Ray ô! ifonako aminao anio

Mandohalika anatrehanao aho Raiko ô

An-dranomaso no anehoko ny fifonako

Mba mamelà ny fahotako Hianao



Ref:Mahery loatra anie ny adim-panahy

    Ny adin-tsaina koa mandreraka ahy

    Mitambatra avokoa

    Mavesatra ao an-doha

    Matetika no mampamoy fo

    Kanefa feno fandrika avokoa

    Ny làlana izay alehako



Soa fa mbola tao Hianao

Eny hataramin’izao

Ka mbola ity aho Andriamanitro

An-dranomaso no anehoko ny fifonako

Mba mamelà ny fahotako Hianao

oooooooooooo

Partager mifona

Commenter mifona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Laurent RAKOTOMAMONJY