4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hody aho - Laurent RAKOTOMAMONJY

Vorona taitram-basy aho ry devoly ka tsy hijanona intsony
Ka veloma mavesabesatra no apetrako ho anao
Leon'ny mifotetaka amin'ny tany aho k'aleo mba hiakatra ambony
Ary hiaina amin'ny fiainan-tsoa mamiratra sy vaovao

Rovitra voro-damba ve no sisa navelan'ny fahotana
Ho tinafin'ny tenako efa reraka sy mahia
Hatramin'ny masoko aza moa voarakitry ny haizin'ny fahajambana
Tsy nahita ny harato fandrika ka dia nikodia

Ref:
Aza hitsahinao re ny lambako ry ngahy losifera mpanandro hariva
Tsy te hiherika anao intsony aho f'efa leo sady fay
F'efa injany fa re manako sy mikalo any ho any ny feon'antsiva
Hiantsoantso izay mbola tara rehetra hody amin'izay

Tsenao amin'ny indrafonao aho Razoky Jesoa f'efa tonga saina
Mba tolory ny Tananao aho f'efa reraka re
Mifaly aho raha toa ka raisinao no sady tsy maty fo aman'aina
Ohatr'izay aho efa voatona tany anaty afobe

Partager hody aho

Commenter hody aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Laurent RAKOTOMAMONJY