4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy mahita - Laurent RAKOTOMAMONJY



Zao fitenena izao refa tena zohina toa marina ihany

Mivavaka rehefa alahady kanefa mangalatra akoho alatsinainy

Ka jereo tokoa nge ry anona mitonona ho kristianina

Fa manao ny ataony rahefa tsy ao am-piangonana

Tazana miery mitoto madihy @boatyy Rakjoto maditra

Nefa vao omalin’ny omaly no nitoriteny tambony pilpitra

Te-hanan-karena hono mantsy ka mirona mankany @sampy

Fa Jesoa tsy hanome volabe @quinté



Misy mahita ny zavatra nataonareo e

Misy mahita ary tena mahita ny zava-niseho

Tratra ianareo f’aza be famaliana

Rehefa mba diso ny tena dia mangina

Ka tsy mamerina intsony aoriana

(ary aza)

aza ny lohasaha mangina tsy misy mitoetra

no eritreretina hanaovana izay fahotana rehetra

misy mahita ao an-tampon’ny loha

‘lay Andriamanitra Tsitoha

mahita ny tena, ny saina, fanahy ary fo



Ts’ireo dahalo sy mpangalatr’omby ihany akory no tena tsy laitra

Na ‘zay ataon’ireo mpngari-paosy eny an-tsena no tena mafaitra

Fa ny toetran’adala iaianan’ireo mahalala

Kanefa minia mankahala no tena mandratra ny fo

Saino @saina tsy miangatra hoe kristiana manao afera

Olom-boafidin’ny Tompo kanefa ny tena efa mila hianjera

Efa ho fatin’ny toaka, fa diso misotro be loatra

Dia mihevitra fa toa tsy hisy hahafantatra  



Misy mahita…

Partager misy mahita

Commenter misy mahita

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Laurent RAKOTOMAMONJY