4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny finoan'ise - Laurent RAKOTOMAMONJY

Tsy hoe manankarena be mikararàna vao afa-miady amin'i satàna

Fa ny finoan'ise no ilaina ho lehibe dia zay

Tsy hiandrasana mirage avy any amerika

Na fitaovam-piadiana chimika

Fa ny finoan'ise no ataovy lehibe dia ‘zay



Ny ady atao amin'ny fanahy ratsy anie tsy ilàna famaky

Na helikôptera na tafondro na karazana tanky

Tsy mba ilàna sorona na mila toaka sy akoholahy mena

Fa ny finoan'ise no mila atao ‘ngezabe dia ekena fa



Tsy hoe manankarena...



Fa tena ilaina pasitera sy môpera ny ady atao amin'i losifera

Fa tsarovy anie fa ilaina koa ise amin'izay

Ny mpiandry no mandroaka fanahy tsy manjary

Mametra-tanana amin' marary

Fa tsarovy anie fa ilaina koa ise amin'izay



Fantaro tsara anefa fa fandanian'andro sy zava-poana

Raha lehibe kanefa tsy ampiasain'ise akory ny finoana

Fa raha finoana tsy miasa nefa toy ny habem-batolampy

Tsy mahafindra akory na dia voa kely toa voatsinampy fa



Ilay finoan'ise raha toy ny voavary

kanefa arahin'asa dia manjary

ho voafindran'ise ny havoana lehibe amin'zay

koa ndeha zatsy izy ary ampiasao ny finoana

Amin' zay tsisy ho zava-poana dia mirary an'ise hahavita asa be ‘zahay

Partager ny finoan'ise

Commenter ny finoan'ise

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Laurent RAKOTOMAMONJY