4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ambanin'io rahona io - Ny SAKELIDALANA

    

Roy e! Lahy e!

Midona malefaka ny any Ankaratra ô

Manerikerika tsy mitsahatra.

Harivariva any an-tanin’olona

Ka ny sentosento no toa mitolona

   AMBANIN’IO RAHONA IO (x2)

   MANDAINGA IZAY TSY HO MANINA



Roy e! Lahy e!

Midona malefaka ny any Andringitra

Manjombonjombona vinibinitra

Tsy tsapa ny lalina sy marivo

Fa maika ho tody amin’ilay Iarivo.

   AMBANIN’IO RAHONA IO (x2)

   MANDAINGA IZAY TSY HO MANINA



Asakasak’izay tsy miraika

Eny re roy,

F’izahay efa dodona maika

Eny ry lahy,

Iarivo no akany fodiana

Tsy ho adino na oviana na oviana.

   AMBANIN’IO RAHONA IO (x2)

   MANDAINGA IZAY TSY HO MANINA





Album: Nandalo teto ve?

Partager ambanin'io rahona io

Commenter ambanin'io rahona io

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny SAKELIDALANA