4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola tsara - Ny SAKELIDALANA

Any ianao ry malala

Izaho aty mbola tsara

Mahatsiaro ireo korana teto

Ny foko indro ka voton-tseto

Manina anao aho ry tiana

Ranomaso no he mikoriana

Ny any angamba mazava

Ny aty kosa manjom-bondava.



Fiv:

     Voaraiko ilay soratrao

     Milaza ireo vaovao

     Feno tsiky sy feno korana

     Nefa koa misento mazana.

     Ny fontsika anie tafaray

     Voaloboka ladinim-bahy.

     Taratasy alefao sesilany

     Ampisava izato tomany.





Mivavaka aho etoana

Ho anao izay tsy eto anoloana.

Enga  anie ka indray andro any

Hitsahatra izato tomany,

Amizay ny foko hifaly

Fa tapitra teo ny jaly

Hisava ilay andro misaona

Hifanoroka fa tafahoana.








Partager mbola tsara

Commenter mbola tsara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny SAKELIDALANA