4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Taratasin-drazandry - Ny SAKELIDALANA





Any ianao Zoky malala tsy hadino,

kilasimandry manirery any ho any.

Tinaitran’embona nandalo

zandrinao ka indro, manina ka manoratra.



Tsy dia misy vaovao

malahelo anao ny aty,

Ilay sakakelintsika

vao nifo-nify dia maty  



E! e! e!



Fa ny tena hasambaranay ambamin-dry Neny

dia ny mahazo taratasy avy any aminao

milaza fa salama tsara tsy manahy,

ary ny fianarana mandroso.



Efa mila tsy ho andriko

Ny fotoam-pialan-tsasatra

Hilalaovantsika roalahy

Eo an-tokontanibe



E! e! e!



Hofaranako ny taratasiko kanefa

Miala tsiny tsy nahasoratra betsaka aho razoky

Maika hiana-desona aho  ka aza tsiny indrindra

Mandra-pihaona mahereza  re!


Partager taratasin-drazandry

Commenter taratasin-drazandry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny SAKELIDALANA