4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpiasa tany - Ny SAKELIDALANA





Raha mbola maraina

dia indreny  manainga ireo mpiasa tany.

Nariana ny laina fa hitrandraka bainga

hiasa androany.



Ô! ô! ô!

Na mamirifiry

aza re ny fanala, hiaretana ihany;

Ny zavatra iray izay makadiry

Miasa hatrany!



Ô! ô ô

Miasa e! no adidy ry velona an-tany

Miasa ry lahy ô

Miasa no adidy ry velona an-tany

Miasa ry lahy ô



Vao tonga eny an-tsaha  dia manaisotra lamba

Vonon-kiasa esorina ny ahy.

Tsy miambahamba manefa lahasa,

Tsy miambahamba manefa lahasa.



Osora-menaka aloha ny angady

Tsy hampiepa-tanana  rehefa ela ny ela

Mafy e! kanefa tsy maintsy hiafiana

Ireo no odin’ireo fahoriana.





Indry efa dila ilay taramasoandro

Milefa any ho any,

Toa manery, mampody an-tanana

ireo mpiasa tany



Ô ! ô! ô!

Fandeha valabalaka, vizana ery

no tsinjo amin’izany

Vita ny androany e!

Indreny fa mody ireo mpiasa tany.

Partager mpiasa tany

Commenter mpiasa tany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny SAKELIDALANA