4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voahangy - Ny SAKELIDALANA

Azafady ry Sakelidalana ô

Sao mba nandalo teto ilay tiako

Nifamaly izahay mantsy omaly

Ny maraina izy tsy hitako intsony



Nitomany izy nandalo teto

Kanefa noferany mafy aho

Tsy hanoro aminao ’zay nombany

Sy ny tanjona izay hiafarahany



Lazao re ry Sakelidalana ô

Fa tiako tokoa izy iny

Tambazako vola ianao re

Raha toa ka milaza ny marina



Tsy nahatanty ny aretim-pitia hono izy

Ka lasa namono ny tenany

Ka iry renirano zary e

No fasana mba nofinidiny



Adray re ry Voahangy !

Voahangy ô !

Nahoana no dia nosomparana

’Lay fitiavantsika

Fitia mbola feno hasambarana

Mijaly aho ! Mijaly aho ry Voahangy malala ô

Satria ianao re... Ianao re no nahavita izao

Partager voahangy

Commenter voahangy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny SAKELIDALANA