4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izy foana - Ny SAKELIDALANA

Nitanondrika izy

O nitanondrika izy

Fa tojo faharesena

Ilay fony nanantena

’Zay rehetra nokasaina

Dia indrisy rava maina

Eny hatramin’ilay tiany

Lasan’olon-kafa iny



Nitomany izy

O nitomany izy

Nomeny tsiny Ilay Ray

Fa Mpitondra tsy mahay

Fa nahoana re

Nahoana

No dia toa izy foana

No miaritra ny mafy

Voakapo-karavasy



Dia nitsiky izy

O dia nitsiky izy

Fa nifoha ilay fanantenana

Teo an-tany naharavana

Tsapany avy hatrany

Fa izany no eto an-tany

Ho an’izay miaina eto

Tsy maintsy misento



Fa nahoana re nahoana

No dia toa izy foana

No miaritra ny mafy

Voakapo-karavasy

Partager izy foana

Commenter izy foana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny SAKELIDALANA