4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiarahabana - Ny salohy

Ampitomboina aminareo mandrakariva anie

Ny fahasoavana sy ny fiadanana

Avy amin’Andriamanitra : Ray, Zanaka, Fanahy

Ray sy Zanaka ary Fanahy



Fifaliana ho anay ny manatrika anareo etoana

Mitondra ny Tenin’ny Ray, hizara ny finoana

Koa arahabaina hianareo ry havana

Na ny lehibe na koa ny kely, tsy ankanavaka



Ny Fanahy Masina anie hitarika antsika rehetra

Hamoa ny fo ao anaty, hanazava, hampitoetra

Ireo teny izay hambara sy hampitaina

Ho sakafon’ny fanahy, hery hanatanjaka ny aina



                                  RABARIJAONA Andrianaina Robdera

Partager fiarahabana

Commenter fiarahabana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny salohy

Suite