4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mety aho - Ny salohy

Tena mitady anao fatratra tokoa Izahay

Taiza foana Hianao, taiza Hianao Jesoa, Hatrizay ?

Tsy hitanao ve izao fahorianay izao

No dia lasa nadao, nadao anay Hianao

Sa dia sitrakao ve ny hahafaty anay

Hatramin’izay tsy nahateo Anao izay

Loza foana no miandry sy manjo anay

Koa raha mety Hianao, vonjeo ‘zahay.



Sao kosa mba diso hevitra hianareo, Ry zareo

Tsy taiza akory anie Aho, tsy lavitra anareo, Fa dia teo !

Efa impiry moa Aho no nilaza  fa hoe :

Avia hianareo ‘zay miasa fatratra e !

Mankanesa aty Amiko avokoa.

F’Izaho mahalala izay hiheverako anareo

Saingy hianareo no tsy mety manatona Ahy

Ary lavinareo ny fanomezako.





Ireo aretinao moa tsy efa nentiko, Avokoa

Ny nivesarako ireo fahorianao, Tao am-po

Ireo fahotanao efa noraisiko, Ho Ahy koa

Koa raha mety hianao omeo Ahy ireo, Dioviko



Misaotra Anao tokoa, noho ny famindram-po

Izay nataonao, nataonao tamiko

Koa manomboka izao manaiky aho

Hanatona Anao, handray Anao ao am-po

Ka dia hanolotra izay rehetra ahy koa

Eny, foiko ho Anao avokoa Jesoa.



Eny, ary, madiova hianao.



                       RABARIJAONA Andrianaina Robdera

Partager mety aho

Commenter mety aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny salohy

Suite