4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izaho sy ianao - Ny salohy

Izaho sy ianao

No nanolotra Azy ho tsaraina

Izaho sy ianao

No nanameloka Azy toy ny olon-dratsy

Izaho sy ianao

No nandà Azy tsy ho Kristy

Izaho sy ianao

Ilay niantsoantso hoe : "homboy Izy"



Mbola izaho sy ianao

Ilay nihevitra Azy ho adala

Izaho sy ianao

Ilay nandà Azy ho tsy nahalala

Nefa ny famonjena izay natolony

No nanekeny ho faty mba ho ahy sy ho anao.



Izaho sy ianao

No antsoiny hanatona Azy anio

Izaho sy ianao

No tiany indrindra koa ka tadidio

Fa ho ahy sy ho anao

No nanolorany ny tenany

Izaho sy ianao

Dia samy mbola itenenany hoe :



Miverena ka avia raiso Kristy

Ilay Tompo sy Mpamonjy izao tontolo izao

Aza lavina intsony na koa atosika indray

Fa vonona Izy anio handray ahy sy anao.



                             RABAIRIJAONA Andrianaina Robdera

Partager izaho sy ianao

Commenter izaho sy ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny salohy

Suite