4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Iray 'zahay - Ny salohy

1-Isaoranay ny anaranao Ray, Zanaka,Fanahy

noho ny famindram-ponao,izay nahatoy izao

fa na-dia maro aza izahay, nangoninao ho iray

hiaraka ankalaza Anao,hanome voninahitra Anao



Ref:Ka hira fiderana no hasandratray izao

mba hanehoanay ny hafaliana ao anatinay

izay rehetra ataonay atokanay ho Anao

ho fiderana ny anaranao : anio sy ho madrakizay



2-Tsy mba nafeninao anay ilay fitiavanao

fa nampianarinao anay ilay didy vaovao

dia mba ny hifankatiavanay araka ny teninao

f’izany no hafantarana fa mpianatrao tokoa ’zahay



3-Ny Teninao no fototra izay anorenanay

ny fiombonana izay niantsoanao anay

mba ho tanteraka aminay izany fifalianao

ho vava iray sy saina iray no iarahanay misaotra anao



RABARIJAONA ANDRANIAINA RAOBIDERA

Partager iray 'zahay

Commenter iray 'zahay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny salohy

Suite