4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sarobidy amiko ianao - Ny salohy

Na dia atao hoe : adala aza hianao

Na dia nania sy nandao aza

Nanao izay rehetra tianao natao

Ka noheverina hoe tsy sahaza

Dia mbola tsy foiko tokoa, satria

Na tsy hanaiky mihitsy aza hianao

Ny Ahy mantsy rehefa tia dia tena tia

Tsy mba mahazo manda Aho



Satria sarobidy amiko hianao

Sady malala no be voninahitra

Ka tsy foiko, tsy haiko avela amin’izao

Ny fitiavako anao : mandrakizay maharitra



Niezaka Aho ny hanatona anao

Nanao izay rehetra azo natao

Nanoratra Aho, nilaza ireo vaovao

Nanafatra ihany koa ireo namanao

Ho anao namoizako ny aiko

Nalatsako ny rako noho hianao

Ny fiandrianako tsy mba nolalaiko

Nataoko izany, satria : TIAKO hianao





                             RABARIJAONA Andrianaina Robdera

Partager sarobidy amiko ianao

Commenter sarobidy amiko ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny salohy

Suite