4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hazo fijaliana - Vonjy

Ny maso moa no mena hitazanana

Ny saina koa natolotrao mba hahatsiaro

Tsy hanadino ireo tantara marina

Fa sitrakao ny olonao ho tafarina

    

Androany aho raha sendra nahatazana

Lay sarin’hazo fijaliana zay nentinao

Injao fa mitamberina ao an-tsaiko ao

Ireo ory izay niaretanao hamonjy anay



Nangina Ianao fa tsy namaly teo

Nivavaka nifona ho azy ireo

Niantsoantso Ianao noho ny kapoka

Ny ranao latsaka no avotray



Ho very maina foana ve zany rehetra izany

Nangahiahy ny masoko te hitomany

Mahatsiaro ireo ota izay vitako

Mifona aho ry Tompo ô!tsy hanindroa

Partager hazo fijaliana

Commenter hazo fijaliana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vonjy