4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nandondona - Vonjy

Reko nandondona Ianao

Efa niandry ela tao

Saingy dia naleoko fotsiny amin’izao

Tonga mba hihavana hampiseho fitiavana

Izaho angaha tsy mana-namana



Eo ireo Ray amandreniko

Eo ireo rehetra iray tampo

’Reo sakaizako izay nianteherako

Toa ampy ahy ireo, ampy tsy hampitoreo

Sao Ianao indray no hanelingelina eo



Saingy nofinofy ihany raha mbola eto an-tany

Tsy azo ianteherana raha izany

Ao ny fahafatesana, ny fisarahan-toerana

Ny toky fitaka tsy ferana



Teo vao tena tsapako, nanenenako avokoa

Izay rehetra efa vitako teo aloha

He ity izaho namita-tena

Toa mahantra mahonena

Nanana aho taloha fa lasa mosarena



Reko nandondona Ianao

Efa niandry ela tao

Mandrosoa aty am-poko izao



Tafatoetra eo aminao, ny fiainako izao

Velon-kira fifaliana vaovao

Fa nandao niserana, ireo sakaiza sy havana

Ianao Jesoa no fanamperana

Partager nandondona

Commenter nandondona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vonjy