4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tarigetra - Vonjy

TARIGETRA



Rehefa niezaka aho ho olo-marina

fa noho ny hafetsena mba tiko onerana

rehefa niezaka aho mba ho madio ampo

fa vonona aho ny handao ny lolompo taloha

dia toy ny resy aho

ka mila hitalaho

nahoana aho moa aho Raiko ô no nivoady izao



Rehefa niezaka aho ho manapahendrena

ka hoe hamoy ireo toetra ratsy mahonena

rehefa niezaka aho

mba ho mpandefitra

vao maika toa mihasahy ireo mpanohitra ahy

dia toy ny resy aho

ka mila hitalaho

nahoana aho moa aho Raiko ô no nivoady izao



ref:

Fa noho ny Teninao

izay mampahery ahy

hoe tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy

fa efa voafetra ny androny rehetra

zava-poana fa tsy hitoetra

hotanako ny tarigetra



Rehefa niezaka aho ho mpampihavana

fa ny fifandrafiana tsy mampiadana

Rehefa niezaka aho hamela heloka

vao maika ireo indray no toa handrendrika ahy

dia toy ny resy aho

ka mila hitalaho

nahoana aho moa aho Raiko ô no nivoady izao



VONJY










Partager tarigetra

Commenter tarigetra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vonjy