4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy hangina - Vonjy

Tsy hoan’ny mpandresy ihany ny ady

Na ny harena hoan’ny olo-marina

Na voninahitra hoan’ny mpitady

Fa ao ny Ray mpandamina



Ao ny andro hifaliana

Ao ny andro hitomaniana

Ny zava-drehetra samy nataony

Mendrika amin’ny fotoanany



Tsy hangina fa hihira hihoby hiantsa

Fa ny feo asandratro hidera ny avo

Izy no Mpiandry ahy sy mpitari-dalana

(Izy no mampianatr’ahy hanam-paharetana)

Hery sy ampinga azo antoka indrindra

( N’inona hidona ny finoana tsy hirona)



Ao ny andro natao hifaliana

Ao ny andro natao hitomaniana

Ny zava-drehetra samy nataony

Mendrika amin’ny fotoanany

Partager tsy hangina

Commenter tsy hangina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vonjy