4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voninahitra - AMPAFI Antsirabe

VONINAHITRA



1-Aza matahotra fa indro teny soa

Vaovao mahafaly tsy manam-paharoa

Fa mpamonjy,no nomena antsika ety

Dia ‘lay Jesosy izy no Kristy

Ref:

Voninahitra amin’ny avo indrindra

Ho an’Andriamanitra

Fiadanana amin’ny ankasitrahany

Venteso ny Haleloia



Haleloia sy saotra aterinay

(Raisonao ny fiderana)

Fiderana ho fanajana anao

Jesosy Tompo soa

No tonga hamonjy ny tontolo

Io ‘lay nambara fahizay



2-‘Reo mpiandry ondry tao

an-tsaha fahizay

No nisehoan’ny anjely

Iraky ny Ray

Famonjena ho an’izao tontolo izao

Ho fifaliana ho ahy sy ho anao

Voninahitra…

            Zoaridio




Partager voninahitra

Commenter voninahitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMPAFI Antsirabe