4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dina sy voady - AMPAFI Antsirabe

DINA SY VOADY



1-Resy lahatry ny fitiavanao aho

Tsy haiko ny hangina tsy hisaotra anao

Fa satria ,fa satria izaho izay efa nania

Notadiavinao hiverina aminao

Ity ny zanakao…



2-Entiko ateriko eo anatrehanao

Ireo lotoko nandaozako ny tavanao

Fa satria,fa satria ny rànao manadio

Ka fiainam-baovao santariko anio

Ity nyzanakao…



3-Ireo rendrarendra ratsy vitako hatrizay

Nanenenako ka aleoko mody an-tranondRay

Fa satria,fa satria anilanao ihany

Eo akaikinao no mahatsara ahy

Ity nyzanakao…



Ref:

Ity ny zanakao,manatona aho izao

Tsy te hitraka akory , noho ‘reo ota izay natao

Ny dina sy voady , averiko eto indray

Tsy hisaraka aminao aho

Anio mandrakizay



Zoaridio (AMPAFI ANTSIRABE)

Partager dina sy voady

Commenter dina sy voady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMPAFI Antsirabe