4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Gasikara - Ny SAKELIDALANA

Ry Gasikara o

Raha fihatsarambelatsihy

No entiko ilazana anao ho taniko

Ry Tanindrazako o

Raha fihatsarambelatsihy

Raiketo ambanin’ny lanilaniko



Ry Gasikara o

Raha tsy vokatry ny saiko

No iantsoako anao ho fireneko

Ry Tanindrazako fa fitiavan-tena koa

Voleo fery aho ho lo



     Aleveno ho mora tazana

     F’aza atao am-pasan-drazana

     Hifalian’ireo goaika

     Sy ireo vitsika mpitsaika

     ooooo



Raha motoka ny tanako

Tsy hampandroso anao hiady

Fa hampahantra anao

Ho gasy sasatra

Ry tany mamiko o

’Zao no veliranoko

Ozony hatramin’ny taranako

Partager gasikara

Commenter gasikara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny SAKELIDALANA