4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jesosy fandresena - AMPAFI Antsirabe

JESOSY FANDRESENA



1-Maloka anie ‘zany andro

Toa tsy tazana ny masoandro

Ady fo , sy fanahy

No mandrakotra ny androm-piainana

Fa tsimaintsy iharan’izany avokoa

‘Zay rehetra miloloha ny lanitra

Saingy hafa tokoa ny omban’I Jesô

Manan-kery ihany avy eo



Ref:

Fa Jesosy no miandry eo aloha

Azo antoka ny fandresena

Fahafatesana ve?

Sa aretina  ve?

Efa resiny avokoa

Tsy an-kanavaka koa

Samy asiany soa

Ny rehetra izay mino azy



2-Izaho anie ka mpanota

Toa tsy mendrika hahita ny Tompo

Aiza re no haleha

Moa ve izy handray ny tarainako

Izy anie tsy mandatsa ny voa toa anao

Indrindra f’izy hamonjy izao tontolo izao

Satria hafa tokoa ny omban’I Jesô

Manankery ihany avy eo

Fa Jesosy..



Manantona ary hoan’I Jesô ianao !



Maminiriana (AMPAFI ANTSIRABE)

Partager jesosy fandresena

Commenter jesosy fandresena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMPAFI Antsirabe