4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jesosy fifaliako - Vonjy

Tsy  mba nanana fiadanam-po

Nandeha irery aho, hatrizay

Dia nandramako avokoa izay

Rehetra noheveriko hahasoa

Nihevitra aho ny ahavita tena

Dia nitombo ny ambo-po

Nizahozaho ary koa nirehareha

Saingy tsapako ihany avy eo

Ilay fiainako fa tena nankaleo



Mbola kely aho dia efa notaizana

Tamin’ny fivavahana

Dia nihevitra aho taty aoriana

Fa hoe tsy zaza intsony ara-panahy

Dia nanamari-tena

Dia nitombo ny ambo-po

Nizahozaho ary koa nirehareha

Mbola  tsapako ihany avy eo

Ilay fiainako fa tena nankaleo



Fa raha nandray an’i Jesoa

Ilay fiainako nahantra teo aloha

Nanjary hira-pifaliana

No nisandratra mangina tato am-poko.

Partager jesosy fifaliako

Commenter jesosy fifaliako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vonjy