Ventso
Manimanina anao zaho, dia mamentsoventso
Mitomamy lasa sento, fa lavitra anao
Malahelo anao foana, dia mamisavisa
Mitomany mitanisa, reo tsiambaratelo
Miventso anao mangiana aho
indramiko ity hira, ho any aminao
ianao lay namana tsy foiko, manina hany aho
ka mahatonga ahy hiventso izao hira izao
Réf: Any izao ianao,
Tsy hay izay nahavariana anao
Fa dia nilaozanao tanteraka ity, O O O
ity namanao
Any izao ianao, variana milalao
Ka adinonao, ilay fiarahantsika
Adinonao tokoa ka mahatonga ahy
Hiventso sy hamoy fo
Réf: ...
Tsorororotsorooo
...izaho ngômangôma
...fa lavitra anao
...ny fo fa tsy hihaona
...izaho sy ianao