4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lasan-davitra - Laurent RAKOTOMAMONJY

Lasan-davitra any tokoa izany saiko

Toa mahita havoana iray tena lalaiko

Isaky ny mba mijery iny tendrombohitra iny

Mampatsiahy ireo lasanao fahiny



Zany foko he toa vonton’alahelo

Toa mahita hazo fijaliana telo

Iny tendrombohitra iny raha tazanina avy ety

Dia toy ilay Kalvary



Fa Ianao no ilay

FAMONJENA anay

Andrinay sy Tokinay



Isaky ny voasamboaravoaran’ny onja

Ny fiainako na vetivety monja

Dia tsaroako Ianao JESO miteny ny onjan-drano be hoe :

" MITSAHARA ARY MITONIA "



Teo dia tony niaraka tamin’izay

Ny herin’ilay onjan-drano nampanahy

Ka nisononoka mora ilay lakana nitondra

Saika safotr’onja



Fa Ianao no ilay

KAPITENINAY

Andrinay sy Tokinay



Isaky ny ravoravo izany saiko

Ny hionona amin’izao dia toa tsy ho haiko

Raha tsy miantso ny Anaranao hanampy ahy

Sao sembanin’ny fakam-panahy



Indrindra moa raha misy fahoria-midona

Ianao no avy hatrany dia tsaroana

Fa toa reko Ianao miteny hoe :

" ITY NY TANAKO AVIA ,

FA IZAHO NO MPAMONJY TIA "



Fa Ianao no ilay

FIFALIANAY

Andrinay sy Tokinay


Partager lasan-davitra

Commenter lasan-davitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Laurent RAKOTOMAMONJY