4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny adala - Laurent RAKOTOMAMONJY

Ny adala no manao anakam-po hoe tsy misy Andriamanitra

Kanefa milaza mitory sy mino fo tonga any an-danitra

Ny mpanompo sampy va re mba handova ny fiainana mandrakizay ?

Diniho ny lalana sy ireo didy folo navoaka fahiny nomen’ Andriamanitra Ray

Tsy misy natao tsy hahalala tsy akory fa izao re no marina

Ny minia misaina ny zavatra diso tsy saro-patarina

Ireo no atao hoe mizotra amin’ny  lalana be mahafinaritra

Tsy fantany mantsy ny faran’izany fa tomany lava sy sento maharitra



Koa raha misy milaza ny zavatra diso fa tsy mba ny marina

Dia olom-boafidin’ingahy Losifera io fa saingy namboamboarina



Ref



Ry fatra –mpandiso ô diniho re ny zavatra atao

Andriamanitra ihany no mihevitra izay momba anao

Izao no tsarovy sy ataovy ao an-doha, fa ts’isy ny lanitra iray faharoa

Ry fatra-pandà ô tsinjovy ny fanahinao

Ny heloka vita ifony ary koa ibebao

Izao no tsarovy sy ataovy ao an-doha, f’izay no tadiavin’ny Tompo Jesoa





Ny zava-drehetra dia nisy namorina matoa vanona

Tsy lavina izany fa marina loatra ka tsisy hokianina

Jereo ny tanety ny rano ao an’ony sy ireo tendrombohitra

Fa misy tsy nisy mpanao hono ireny hoy ny vava sy tenin’ny fatra-mpanohitra

Koa raha misy mpitory izay tsy mba milaza ny zavatra marina

Dia sari-bakolin’i belzaboba io fa saingy namboamboarina



Ref:


Partager ny adala

Commenter ny adala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Laurent RAKOTOMAMONJY