Onena anao ny Tomponao ry Adama sy Eva vaovao
Voankazo efa nandrarana endrey fa mbola nangalana
Izato ianareo anie tena sahy fanahiniana ve sa tsy nahy
Efa voalaza hoe raha tsy izany natao ihany
Ry adama sy Eva anie tao an-tsaha raha vao nifoha ny maso-panahy
Ka nahita fa niboridana, lasa niafina niridana
Hianareo kosa efa mihanjaka hita fa tena mitanjaka
Tsy miery fa vao maika mivaoka ho hitam-bahoaka
Ry Adama sy Eva vaovao ovay ny fomba fanaonao
Manàna fahatsiarovan-tena re, ialao ilay nahavoa tao edena
Ndeha ka mitafia fiainam-baovao miakanjoa fa aza manao toy izao e
Itafio Jesoa malala, lamba fotsy toa oram-panala
Onena anao ny Tomponao ry Zakaiosy vaovao
Toy ny voankazo iray malazo mihantona ery ambony hazo
Efa nandalo teo i kristy niantsoantso anao hoe avia
Nefa ianao sady tsy taitra no tsy niraika
I Zakaiosy anie taloha raha vao nantsoin’I Tompo Jesoa
Nidina faingana toa tsy teo, nampiantrano azy avy eo
F’ianao tsy nety nidina ange hiandry hitsingidina ve
Izay ’ngamba vao "Tompo ô vonjeo", Izy efa lasa nandalo teo
Ry zakaiosy vaovao ovay ny fomba fanaonao
Hiantona ambony fahotana foana ve
Hianjera eo ianao f’etsy ange
Midina faingana ampiantranoy Jeso
Ilay nandalo tamin’ny lalan’I Jeriko
Hohitanao ny fahasambarana, anio Izy vohay varavarana
Onena anao ny Tomponao ry ingahy Saoly vaovao
Manenjika ny mpanara-dia sy miankina amin’ilay Tompo tia
Mandrahona, ny hanao izay hahavoa
Zanaka, vady, Havana koa
Mandrara ireo tsy ho any an-tempoly, tena devoly
F’ingahy Saoly anie niova fo, lasa mpanaradia an’i Jesoa
Tonga mpitory sahy dia sahy, nihavao saina fo sy fanahy
F’ianao ity maika koa toa mandeha mihamanantona ny afobe
Fa mafy loha, toa vatolampy mpanompo sampy
Ry ingahy Saoly vaovao ovay re fomba fanaonao
Aza manenji-dava ny Tompo, ialao io fa asa maloto
E! Jesosy anie tia anao ka izao re no tokony hatao
Raiso izy anio fa tsy manavaka
Sa hiandry ho jamba ve, ianao, vao hivavaka ?