4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vavaka - AMPAFI Antsirabe

VAVAKA



1-Ry Jesosy zoky tia

Tahio ‘zahay fa sao mania

Fa ianao no aronay

Mpanolontsina sy mpiahy



Ka mba ho tanteraka anie

I zay rehetra sitrakao

Ry tompo mpiandry lehibe

Arovy reto ondrinao

Omeo ny fanahinao



2-Raha ho avy ny andro iray

Hiantsoanao ahy ambalanao

Aoka hianao re mba handray

Anay ho isan’ny anao



Satria mbola hitohy ihany re

Ny dera saotra asandratray

Ka ho hamasinina anie

Ry Jeso ny anaranao

Derainay ho mandrakizay

             Fabrice

Partager vavaka

Commenter vavaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMPAFI Antsirabe