4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Niova loko - Eric Tahina

Tsy nampoiziko tokoa

Ianao ilay namana niankinako

no nandavo ahy toa izao

Efa resy aho mbola nitsahinao



Raha nitraka aho dia nandre

ireo esoeson-teny afafinao ahy

N’efa izaho efa mietry

Atsaharo ny fankalahanao ahy





              Tsy haiko ny hangina

              satria namana tsy foiko ianao

              nefa izay efa nomeko

              foiko ireny ho anao



Nahita namana hafa ianao

izy no havita ireo sitra-ponao

tsy hovitako rahatrizay

eo anilany ianao tsy manahy



Raha ireo tsiambarateloko

efa nozarainao taminy koa

tsy hiantso tody aho sanatria

fandalovana mantsy ny ety


Partager niova loko

Commenter niova loko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Eric Tahina

Suite