4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Resy lahatra - Eric Tahina

Anjakanao daholo ny fiainako izao

tsy misy andro iray tsy ahitako anao

ny rivotra hiainako tsy hafa fa ianao

mamelona ny aiko ao anatiko ao



nivezivezy tany aho nipody taminao

satria tsy nisy mamy sy tiako noho ianao



ianao no efa niriko

hitantana ny dia

tsy misy faniriko

fa ianao ho doria

na sedra na tafiotra

hijoro fa tena tia

hovetsoiko ampitsikiana

ilay faneva ny fitia



sambatra aho anio fa miaraka aminao

hiantra hitondra indray ilay fitia vaovao

raisonao ny tanako hadroso isika izao

satria tsy mbola fantatra ny miandry ao aloha ao



fa hery tsy hay tohaina ny ao antiko izao

fitia efa lalaina hamafa ny talaho



tsy nisy hatrizay

tia ahy toa anao

haratra namoha indray ilay fitia tao anatiko tao

fa tsiky sy masoandro

mibaliaka lava izao

manome toky isan\\\\\\’andro ho eo

mandrakizay


Partager resy lahatra

Commenter resy lahatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Eric Tahina

Suite