4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Filazana an-gazety - Fanja Andriamanantena

Filazana an-gazety

No nandramany raha mety

Hampiverina ilay malalany

Fa tsy fantany izay lalany



Tapa-bolana eo ho eo

No nandaozany ny trano

Tsy hainy akory izay niseho

F’izao izy hidirana angano



Asa lahy izay ho vokany

F’ity no hany lokalokany

Hampiverina ilay malalany

Hampitodi-doha indray ny lalany



Tan-gazety tao daholo

Ny ao am-pony manontolo

Tsy henatra tsy nananan-kambo

Ny fiainany aza loza sy antambo



Tsy hita moa

Fa rehefa voa

Mimpenimpenina etsy sy eroa

Fadiranovana tokoa tokoa



Filazana an-gazety

No nandramany raha mety

Hampiverina ilay malalany

Fa tsy fantany izay lalany

Partager filazana an-gazety

Commenter filazana an-gazety

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fanja Andriamanantena