4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiako raha ianao - Fanja Andriamanantena

Tiako raha ianao

No hiombom-pifaliana

Sy eritreritra amiko

Tahaka ny fanao

Fony mbola zaza

Nihantahanta tamiko



Tiako raha ianao

No hiaraka hihira

Ireo hirako fahiny

Anteman’ny fitia

Hira tena mamy

Tsaroako ankehitriny



Tiako raha ianao

No afaka hamantatra

Ny miafina rehetra

Fa raha tsy fantatrao

D’izao no efa tao :

Tiako raha ianao.

Partager tiako raha ianao

Commenter tiako raha ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fanja Andriamanantena