4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hira tsotra - Fanja Andriamanantena

IZAY HIRA IZAY

NO MBA IARAHANAY

HIFAMPAHATSIARO INDRAINDRAY

FA NISY IZAY HIRA IZAY

   IZAY HIRA IZAY

   NO HAMPIFANDRAY

   NY FO SY FEO INDRAINDRAY

   HO LASA MOZIKA IRAY

FA HIRA NASIANA FEO FAHAROA

MBA HO TAMANA AO AM-PO

HO NAMANA TSY MAHAFOY ANAY

IZAY HIRA TSOTRA IZAY

   HOTSAROANA HOTSAROANA

   RAHA MIOVA FITEmPO NY FO INDRAINDRAY

   TSY HOHADINOINA TSY HOHADINOINA

   IZAY HIRA TSOTRA IZAY

IZAY HIRA IZAY

NO FIOMBONANAY

NY TONONY AZA INDRAINDRAY

DIA MANJARY FIAINANAY

   IZAY HIRA IZAY

   NO NGONONINAY

   RAHA MAHATSIARO INDRAINDRAY

   IREO LASA NANDAO ANAY

Partager hira tsotra

Commenter hira tsotra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fanja Andriamanantena