4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izaho tsy te - Fanja Andriamanantena

Izaho tsy te hahita intsony tanimboly may sy kila

Ary zaza menavava izay minono tratra fisaka

Na ny kopaka mosara ataon’izato miaramila

Ho fanaovana veloma itsy reniny mangitaka…



Izaho tsy te handre intsony fitiavana mijaly

Na ray miari-tory fa niasa ka tsy ambinina

Na ankizy tratra hariva hanati-barin’ny hopitaly

Na feon-tsarety mikodia sasak’alin’ny ririnina



Raha tiako ny hahita tanimboly feno vony

Zazakely dongadonga, reny tsy hilaozan-janany,

Olon-droa mifankatia, ray tsy miari-tory intsony,

Aoka hitovy ZO ’zahay, dia ho to ny fiadanany.

Partager izaho tsy te

Commenter izaho tsy te

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fanja Andriamanantena