4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avelao aloha... - Lalao Rabeson

Tena tampoka amiko ny teninao

Vahotra dia vahotra aho ny hamaly anao

Ny ato an-tsaiko aloha dia izao:

miangavy aho, avelao,

Avelao hisaina kely aho, avelao...

    Dia nientana ity fo raha hoe hitia

    Mbola tsy haiko, tsy haiko aloha sao sanatria

    Ny safidiko dia izao:

    miangavy aho, avelao,

    Avelao hisaina kely aho, avelao...

Rahampitso dia ho andro vaovao

Aleo ny alina hitondra saina vao

Ny eritreritro avelao

hamakafaka izay ho atao

Avelao hisaina kely aho, avelao...

Partager avelao aloha...

Commenter avelao aloha...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalao Rabeson

Suite