4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho ahy sy ho anao - Lalao Rabeson

   HO AHY SY HO ANAO



Henoy izao hira izao

Fa hira ho ahy sy ho anao

Ka kaloy hamalifaly

Izany saina fo sy fanahy

Satria izany hira izany

No afaka mandrava

Ny elanelan-tany

Koa hirao izao hira izao

Fa ho ahy sy ho anao.





Ireo lalana nodiavintsika

Dia nampahatsiaro zava-maro

Ireo hira nohenointsika

Nitamberina ,nifangaroharo

Koa tsarovy isan’andro

Fa aza avelanao hangina

F’izany fahatsiarovana izany

No ho ahy sy ho anao.





N’inona hitranga

N’inona hanjo

Rehefa zaraina zaka avokoa

Koa hirao ho ahy

Izao hira izao

Fa ho kaloiko koa ho anao

Hiram-pitia

Ho anao sy ho ahy

Mandrakizay.





Raha sendra mifamahofaho

Izany alahelo an-tsaina

Fa saraka lavitry ny tany

O! ry tiana sy lalaina

Dia banjinoko avy hatrany

Iny lalana iny

Dia ho hitanao ireo fo

Fo mifankatia iray ho doria.





Koa hiriako izao mba sitrakao

Hiara-hihira izao hira izao

hoe:Tiako ianao

Eny tena tiako

Akaikinao

Izay no fifaliako

Ho feo iray ny anao sy ny ahy

Mandrakizay

Hoe tiako ianao, eny tiako ianao

Akaikinao, izay no fifaliako

ho feo iray ny anao sy ny ahy

Mandrakizay.

Partager ho ahy sy ho anao

Commenter ho ahy sy ho anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalao Rabeson

Suite