4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Iangaviako - Lalao Rabeson

Chanteuse :   Lalao Rabeson



Iangaviako



Iangaviako re ianao

Raha handalo any ihany

Hitondra izao teny izao

Ho hafatro ankany

Manina an-davitr’any

Hono hoe ilay tianao

Ianao izay omba any

Iangaviako re ianao



Iangaviako re ianao

Na tsy ho any aza

Mba hivily kely ao

Hirahiko hilaza

Miherikeri-dreny

Toa voron-tapak’elatra any

Na tsy ho làlanao aza ny eny

Iangaviako ianao mba ho any



Fa manina mihintsy re

Raha sendra andro hariva

K’eo no miventso hoe

Ny fodiana efa madiva

Hody e ! Mbola hody foana

Hody e ! Tsy ho ela dia hiaona



Auteur-compositeur : Doda Toarano Raselinary

Musiciens :   Contre-basse : Gérard Rakotoarivony

Piano : Hobimanitra Razafiherimisa

Partager iangaviako

Commenter iangaviako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalao Rabeson

Suite