4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Charmeny - Rebika

Sipakely miaingaainga

Sady maditra mpandaingandaigna

Zazavavy toa anjely

Ny toetra anefa tsy mamely.



Réf :

Izay lalovan’ikala tsisy maharay lamba.

Na bandy kely na soara, charmeny dia tara.



Tsy hay intsony ny fivoaran’ity fandrosoana

Asa aloha

Lamaody mihetraketraka loatra izay tsy izy

Mahakivy

Manenjika fatratra,

Fandrao tsy maharaka

Rehefa tsy mikata dia tsy mahazaka

F’aleo dia miala

Aza mihaodihaody raha tsy ampy saosy

Na dia bogosy

Ny any an-tsekoly tsy ahoany intsony

Hoe mirediredy raha mba miteny

Ny ray aman-dreny.



Réf :

Izay lalovan’ikala tsisy maharay lamba.

Na bandy kely na soara, charmeny dia tara



Ny lehilahy efa manambady indray dia mbola mitady

Hay voasazy

Izay mba vola voatokana ho an’ny mpianakavy

Vita matavy

F’angaha moramora ireny

Fiantsenam-bazaha no ekeny.



Izay tsy azo omaly angatahana androany

Izany no fanaony

Tarehy sy bika, iny no fintana famandrihana

Fahitalavitra io no fitaratra

Tsy rarahiany ny mahavirjiny fa hoe lamaody fahiny.  




Partager charmeny

Commenter charmeny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite