4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay tokako - Rebika

Ilay tokako

Ilay sombin-kafanana
mba niteraka hazavana,
indrisy niova mamanala

Ilay jiro nitsilopy
nantenaiko hirehitra,
tsy tratra,indrisy,nindaosin'ny rivotra

Haizina sisa no hitolomana
Adin-tsaina tsy hay hahifika
Kotsakotsa izany ondana
Hany solonao mba fihinina

Any ianao ry 'lay tokana
Asanao raha hivadika
Fa ny aty maizim-bolana
Manantena anao taratra
Toa tontolo mavesatra
Tafahoatra ny anjarako
Tsy eo ianao ankahery ahy
Sitrany ahay azo laizina

Aiza re no asiako ny fiainako?
Izay rehetra atao mampanembona anao
Sasa-miarina ity fo efa trotraka
Manantena anao hanasitrana

Ireo vetso nifampita
nifanindran-dalana,
mivalo aminao mba hiverina

Ilay tady famatorana
lasanao lavitra loatra,
mirirotra mafy re ka ndrao tapaka

Nofo aman-drà ka velona ahiahy
Ny ela hono mantsy maha iray roa
Ny maso adala koa maha be fakampanahy
Mivavaka ho anao mba tsy ho voany

Any ianao ry 'lay tokana
Ianao re no herany
Andry iray iankinako
Toky hany itokiana
Lohataona manjombona
Fararano tomany aty
Fandriana mamanala anie
No hany sisa vantanina

Sento iray tsy mba zaka hatelina
Manditsoka anaty ka toa safomorona
Manomban-ko ho avy indray izany orana
Kotsa lava izay ilay tsy mahasaraka anao

Partager ilay tokako

Commenter ilay tokako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite