4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza milofika - Rebika

tsy maintsy misy manaraka anao eny ihany
ny herin-tsaina hanova loko izato fonao
tsy maintsy ho zava-baovao tsy mbola nisy sy niseho
no hanafaka ireo taraina
hanilo anao very saina

tsindrio mafy ny fanadinoina an-tsainao ao
fa toy ny rano raraka iny ka dia izao:
izay ampitso mbola ho be ka ny tandrify no jereo
dia ialao iny ka tohazo
lay tolotra toa voninkazo

ref/raha izy no hampirotsaka tomany
tsy ny tantely tokana no mamy

ny zaza bodo notambazana vatomamy
efa namikitra olon-kafa,tsotra izany:
hisy hafa iray tendry ho anao
safidy mbola vaovao
indray mandeha no manta vary
lay toky anie ka tsy fanary

fa hira kosa hanambarana izay miseho
ny disadisa sy ny lalamina tefeo
dia arindrao hilanto tsara dradradradradrao mba hanambara
fa zara aza nisy an'iny
atao an-tsaly mahasondriana

ref/lay nankararirary teo dakao
tontolo hafa indray no tano ho anao

Partager aza milofika

Commenter aza milofika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite