4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Faly aho - Rebika

Faly aho, satria tena tia anao
Ankehitriny koa dia lavitry ny fijaliana
Faly aho, rahavako satria ny fitiavako
Ho anao mandrakizay Doria

Ianao no masoandrom-piainako
Ianao irery no hiantako sy hitarainako
Ianao anie no hiakinana sy hianteherana
Amin'ny ho aviko sy fiainako rehetra

Ianao no fanilo, hanazava sy hitsilo
Ny lalana ho diavina, fa hamakivaky fiainana
Izaho sy ianao, ianao sy izaho
Izaho sy ianao mifampitantana

Izaho sy ianao, ianao sy izaho
Izaho sy ianao mifampitantana

Miroborobo ny antsika roa
Fitia lamban'akoho, faty no hisarahana

Partager faly aho

Commenter faly aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite