4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Faniriana - Rebika

                              FANIRIANA



Ny loha no sahirana, mitady izay nangirana

Efa ela izay na dia iray

tsy mbola nisy nitoetra mihitsy

Rahoviana ihany vao ho mamy ny mangidy?

gohana tsy fidiny



Fa maninona ny fiainana no dia manao izay hitarainana?

Mahalasa fiasainana mmmmm



Iarahana mahalala fa ireo mpanenjika tsy miato

mankahala, manadala

Miaritra ny ny mafy fa tsy mora ny manjo

Dia tsy maintsy miafy atao ahoana moa



Toky no fanantenana, aza ariana na fafana

fa izao no atao hoe fitsapana

Ny fiainana ety an-tany dia tsy hilaozan-tomany

fa misompatra aok’izany toa tsy misy fiafarany

fa manonja hatrany



Refrain:

Faharetana no fototr’izao

noraketina voady, toky izay natao

Satria io no afaka hanadio

ny ao anaty tsy ho faty tsy hiova lasy

manantena ny maraina hitondra hery hitondra aina

ny ampitso tsy ho diso



Ireo tanora toka-tena moa

manararaotra amin’ny sitrapo

nefa tadidio, vokatr’io

fa tsy mamela rehefa ela ny ela

Miha-mitombo foana ny eo anoloana

izay vao hoe ahoana



Ny ankamaroan’ireo namana

manala foana rehefa manana

miala fahasahiranana mmmmm



Nifandimby, nifanindry taona maromaro nifangaro

Eny indrisy izay vao nisy

Ela naniriana mpivahiny vaovao

Ankehitriny dia ho avy izy izao



Toky no fanantenana, aza hariana na fafana

fa izao no atao hoe fitsapana

Eny isaorako tokoa eran-tsaina eram-po

Ilay be famindram-po izao ao an-tampon’ny loha

fa nanome ny soa



Refrain



                                REBIKA


Partager faniriana

Commenter faniriana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite