4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anirotra - Rebika

Dongon-tany iva no sisa tavela

amantarako ilay fasan’i Dada

Tsy navadika efa ela



I Dada irery no tao hatrizay

Maty an’ady mantsy ka an’irotra

Matoria mandrakizay



Ao mantsy i Dada

tototry ny vovon-tany

ny tenany angamba efa rava

Dada o onena onena anao aho



Fa nofo efa rava

niverina ho tany

aina efa resy ny fo no tomany

nefa mbola idadako ihany



Mba sainiko foana indray andro any

hitady toeran-kafa mba tsaratsara

hamindrako an’i dada



Ratsan-kazo misampana

no hazofijalian’i Dada

vovon-tany mivantana

tsy mba nofonosina

Partager anirotra

Commenter anirotra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite